Bakalaorea

Ny bakalaorea, amin' ny rafi-pianarana sasany dia ny mari-pahaizana azo rehefa afa-panadinana amin' ny fianarana ambaratonga faharoa. Ny teny hoe bakalaorea dia avy amin' ny teny frantsay baccalauréat izay avy amin' ny teny latina bachalariatus izay sarangan' ny mpianatra amin' ny oniversite. Amin' izao fotoana izao ny bakalaorea dia mari-pahaizana azo amin' ny faran' ny fianarana ambaratonga faharoa (ao amin' ny firenena toa i Madagasikara na i Frantsa), na azo afaka telo taona amin' ny ambaratonga ambony (ny baccalauréat kanadianina na bachelor amerikanina). Any amin' ny firenena manome io mari-pahaizana io amin' ny faran' ny fianarana ambaratonga faharoa dia io no hahafahana miditra any amin' ny oniversite na eny amin' ny sekoly ambaratonga ambony.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy